Forum Tatasika Malagasy
Vous souhaitez réagir à ce message ? Créez un compte en quelques clics ou connectez-vous pour continuer.
Le Deal du moment :
Jeux, jouets et Lego : le deuxième à ...
Voir le deal

tonokalo politikan'ny fifidianana

Aller en bas

tonokalo politikan'ny fifidianana Empty tonokalo politikan'ny fifidianana

Message  ganagana Mar 30 Avr 2013, 08:35

Fa lasa nirotsaka i Hajo, dia lasa nirotsaka i Julien
Dia nirotsaka koa i Roindefo, dia nirotsaka koa i Dolin
Ka indro nahita an'izany, dia nirotsaka ny iray fokontany
... Ka tsy olona ambony tsy ambany dia nilatsaka fahatany

Dia nirotsaka koa i Rakoto Fetison, dia nirotsaka koa Ratsiraka Roland
Tao anaty fotoana vetivety, dia feno president ny tampon-tanety
Ka na mety ilay izy na tsy mety, dia avoaka CD sy kasety
Sitrany ahay mba ho lasa vedety, hipoitra gazety sy amin'ny internet

Sitrany ahay heno amin'ny radio, sitrany ahay miseho tele
Dia mandeha manao dépôt, mirotsaka daholo ny daholobe
Dia nirotsaka ny mpanao afera, dia saika hirotsaka koa i pasitera
Ny evangélique ery midera, fa ny faminaniana no manera

Izany Rakoto ny aty aminay
Lasa président avokoa izahay
Na mahay io na tsy mahay
Ilay zava-kanto mba tokony hilay
Ataon'ny sasany ala safay
Tena mahasosotra mampikolay

Izany ho'aho ry Dada no aty aminay
Toa président avokoa izahay
Na mahay io na tsy mahay
Ilay kolontsaina mba tokony hilay
Ataon'ny sasany ala safay
Mampikolay tena mahasosotra e

Dia nirotsaka koa i Jean Eugène, dia nirotsaka koa i Jules Etienne
Lasa style-n'ny aty amin'ny ville hoe te hoe nirotsaka daholo ny kill
Isan'andro mandritry ny taona, dia misy mipoitra eny foana
Izay antony tsy hay hoe ahoana, fa nirotsaka avokoa izay tsy moana

Dia nirotsaka koa i Ratsiraka Didier, izay ratsy maso sady antitra be
Efa tazana tamin'ny tele, fa mbola mavita pompe be dia be
Fa ny sasany manao clip e, dia tsy vitan'ny mitsikitsiky e
Fa tena tsy menatra mihitsy e, fa asehony hatramin'ny tai-nify e

Sanatria aho raha manisy sira, tsy maneso na maniratsira
Fa misy sasany amin'ireo candidat no mampanotika mampite-ikaka

ganagana
Invité


Revenir en haut Aller en bas

Revenir en haut

- Sujets similaires

 
Permission de ce forum:
Vous ne pouvez pas répondre aux sujets dans ce forum