Forum Tatasika Malagasy
Vous souhaitez réagir à ce message ? Créez un compte en quelques clics ou connectez-vous pour continuer.
Le Deal du moment :
Cdiscount : -30€ dès 300€ ...
Voir le deal

Ra-Jeannot

Aller en bas

 Ra-Jeannot Empty Ra-Jeannot

Message  Monaa Lun 08 Avr 2013, 14:00

Ra-Jeannot

Diabe manara-penitra (tohiny) Nataony fady mihitsy ny mifanena amin’ireo mpiara-miasa teo aloha mainka moa ireo ankizy niara-nihira taminy tany am-pianarana. Io ilay tonga amin’ny fitenenanana manao hoe “ny mpandalo tia resaka, ny iray tanàna tia fosa e!”. Mihoatra lavitra noho ireny “Robocop” ireny ny mason-dRajeannot. Eny amin’ny 20m dia efa tsinjony izay rehetra hifanena aminy. Vao misy iray amin’iretsy karazan’olona voalaza etsy ambony iretsy manangasanga ery an-kodimirana ery dia ny sampanan-dalana tsy hifanenana aminy no raisin-dRajeannot, tsy misy hoe “ahoana” na tovonana “satria”. Ny tsy fantatry Ra-Jeannot anefa dia izao, tsy misy mahalala azy intsony ireny olona ireny; ny omby mahia rahateo tsy lelafin’ny namany. Efa izay mihitsy no foto-piasanana Malagasy fony Fahagola. Raha tsy ny Malagasy tsy hiteny hoe: “raha maty aho matesa rahavako!”. Dia izao hiaraha-mahita izao ny ataon’ireo mpitondra HAT. Takalon’aina miara-maty aminy ny vahoaka Malagasy 20 tapitrisa; Ra-Jeannot moa ao anatin’izany efa miala aina.

“Jeannot lapin!”, hoy ny feom-behivavy iray tsy fanta-piaviana. Hendratra sady tsy nahetsika ranamana nandre izany. Solon’anarana fiantsoana azy tany an-tsekoly mantsy io “Jeannot lapin” io. Nierikerika nitady izay vava nivoahan’io “surnom” io ny mason-dRajeannot. Tadidiny avy hatrany i Sidonie, iray latabatra taminy tany amin’ny kilasy famaranana. “Mandalo tanàna misy havana ve ry Jeannot sa efa tafita ka tsy mahalala anay mavomavo a!”, hoy Sidonie, nanatsafa azy. “Aiza ity hoe tafita ity ry Sidonie a! Izao mivezivezy mitady asa izao fa sômera tsy fidiny e!”, hoy kosa Ra-Jeannot. Nahagaga fa sahin-dRajeannot ny nibaboka avy hatrany tamin’i Sidonie fa olon-dresy ny tenany. “Mitovy ihany izany isika. Nikatona koa mantsy ilay zone franche niasako teny Andraharo noho ity krizin-dozan-dRajoelina ity, dia izao mikarama amin’ny andro antoandro izao”, hoy Sidonie sady nampiakatra ny zipony ho ambonimbony kokoa. “Mba homeo sigara any aloha r’ty hakàna saina a!”, hoy hatrany Sidonie. Feno fihantsiana tokoa na ny fomba fiteniny na ny fitafiany. Navoakan-dRajeannot tany am-paosy ny vola roanjato, ambin’ilay famerim-bola nihoatra. Efa teo am-panolorana ilay ravim-bola ny tenany vao nahatsiaro fa miresaka amina mpivarotena imasom-bahoaka.
Tsy ny maha mpivarotena an’i Sidonie loatra no tena nahamenatra azy fa ndrao hataon’ny mpitazana hoe “manefa trosa angamba razoky izany!”. Tapitra manan-trosa aminy avokoa mantsy ny any an-tanàna: Ramino mpivarotra lasopy, José mpivarotra saribao, Fôsy mpivarotra sigara, Rafily mpivaro-toaka, sns. “Raha mba tena nihinana moa inona no olana, izao ka sady mandoa vola no mitafy henatra”, hoy izy niteny irery. “Dia ahoana ry Jeannot lapin a!”, hoy indray Sidonie nipololotra ilay Good Look maitso. “Dia ahoana amin’ny ahoana fa izao tafahaona ety…”, tsy tapitra akory ny teniny dia efa notsaingohan’i Sidonie hoe “ety an-tsahan’i Edena r’ty a! Tena ho’aho de tsy miova mihitsy, sahala amin’ny tsy lehilahy. Tsy mba maha taitra an’ty mihitsy ve ‘za e?”.

Monaa
Invité


Revenir en haut Aller en bas

Revenir en haut


 
Permission de ce forum:
Vous ne pouvez pas répondre aux sujets dans ce forum