Forum Tatasika Malagasy
Vous souhaitez réagir à ce message ? Créez un compte en quelques clics ou connectez-vous pour continuer.
-40%
Le deal à ne pas rater :
Tefal Ingenio Emotion – Batterie de cuisine 10 pièces (induction, ...
59.99 € 99.99 €
Voir le deal

izahay nahantra tamy mbola kely

Aller en bas

izahay nahantra tamy mbola kely Empty izahay nahantra tamy mbola kely

Message  blooka Mer 12 Déc 2012, 20:29

ato ndray alo zay mahatsiaro ny fahantrany t@ fahazazany, tsy oentina ihomehezana eto akory sanatri fa mba tsiaro ny lasa e!
-nenay zao a:nijaly misy tany ampianarana satria tsy mba naharaka fitaovana complet ny ray amandreny dia afangarongaro ao,cahier 1 misy matiere 2na3 samihafa, tsy mba nanana stylo couleur ,dia apifilafilai´ny akizy refa mba mindrana hanao titre @ lesona.

tsy mba nanana gouter tahaka ny sasany fa voakazo no entina raha sendra misy masaka eny atokotany eny.Ny zanaky ny manambola @ zany mividy zavatra refa recreation dia na miafina izy minana azy na enao ndray no apilendalendainy.

Refa mirava @ zany kivy ery nde hody mieritreritra sahady ana-maitso ndray zay ny laoka any an-trano,nisy fotoana aza mo zahay tsy mihinana refa mirava fa mbola ifapi-tedavana ny sakafo handrahoina

blooka
Invité


Revenir en haut Aller en bas

izahay nahantra tamy mbola kely Empty Re: izahay nahantra tamy mbola kely

Message  doggi Mer 12 Déc 2012, 20:31

ry zalahy sasany miaraka @ adidas sy piston, ny an'ny tena ilay LBS ireny dia analan'ny ankizy oe lamaodin'ny bandy sahirana! menatra mihintsy fa tsy afa manoatra. tena tadidiko fa izaho koa dia sendra an'io kahie iray matière maromaro io dia tsy mitondra kitapo fa ilay kahie asitrika any anaty kibo!!!!na ilay kitapo tsihy kely mifanarona ireny! indrisy mantsy, tsy mba mandeha bus izany fa mibattre foana rehefa hianatra na dia lavitra aza ny toeram-pianarana

doggi
Invité


Revenir en haut Aller en bas

izahay nahantra tamy mbola kely Empty Re: izahay nahantra tamy mbola kely

Message  zizor Mer 12 Déc 2012, 20:32

Nenay koa dia mba niezaka ihany ny RAR fa tsy tafa mihitsy matetika e§ Mandeha mianatra teny @ Lycéé Andohalo ny tena tamin'izany, miainga amin'ny 6 maraina fa hiditra amin'ny 7, tsy misy afatsy dité mafana matsatso no sotroina, rehefa mirava amin'ny 12 dia mihazakazaka mody, tonga any antrano amin'ny 1 latsaka 10 dia mihinam-bary tsy misy laoka matetika na tsy misy sakafo atoandro mihitsy, miainga ndray amin'ny 1 sy fahefany, tonga eny @ 2 tsy diso efa tsemboka mila ho torana mihitsy. De hoy aho hoe hovitaiko haingana ity fa mampijaly be izy izany. Fa ankehitriny ny tena mitantara izany amin'ny zanaka, heverindry zareo fa manitatra. Fanafodiny ho an'ny hafa: mianatra tsara fotsiny fa nu fianarana tsy mba mamitaka na manary anao izany.

zizor
Invité


Revenir en haut Aller en bas

izahay nahantra tamy mbola kely Empty Re: izahay nahantra tamy mbola kely

Message  kahier Mer 12 Déc 2012, 20:34

Ny anay koa dia tahatahak'ireo voalaza esty ambony ireo:

- Kapa scobidoo no anaovana, de refa tapaka, miala ilay boribory kely ao ambanin'ireny, de tsy soloin'ny RAR fa tsisy vola, de asiana taroby mitsivalana ao ambanin'ilay kapa mba tsy hitsoaka ilay tsisy boribory... de izay foana mandram-pahazoana Bacc

- Tsisy vola hividianana kahie, na @ fidirana io na eny antsefatsefan'ny taom-pianarana, dia izao no ataon'ny mamanay: angoniny dôly izay pejy mbola tsisy soratra @ kahie lany taloha (nampiasaina t@ taon-dasa), dia akambany, dia zairiny @ kofehy eo am-povoany, loza fa tsy mitovy halava ireo pejy dia revena manja fôna, vao maika aza nampahay ilay kahie fa voalohany foana tany am-pianarana fa dia matin'ny henatra aloha e ...

- Ny kitapo dia kitapo le misarona roa, rary ataon'ny renibeko.
Teny Ankatso vao nahavidy sac au dos.

Fa izao faly ery fa mandray sôsy, miasa tsara... Tsy misy mafy tsy laitran'ny zoto, ary ny fahaizana tsy mba mamadika fa mahatafita foana... Mazotoa daholo e!!!

kahier
Invité


Revenir en haut Aller en bas

izahay nahantra tamy mbola kely Empty Re: izahay nahantra tamy mbola kely

Message  TVlé Mer 12 Déc 2012, 20:35

ny anay ko taloha tsy manana télé d lé cousinenay eo apita manana d isan-kariva refa tonga avy miasa mamanay d apanaovina akanjo mafana d lasa mitazana télé eo ambaravarankelin'zareo. oh oe tam zany manaraka lé série isaura reny. ny tena nefa tam zany efa mba lehibebe ihany. ny anay koa nisy an'io manjaitra pejy tsy lany io hanaovana kahie entina mianatra. ndryyyyyyy zany fahiny. fa hitako nampety anay lé izy satria nianatra nitsitsy sy nanangona.

TVlé
Invité


Revenir en haut Aller en bas

izahay nahantra tamy mbola kely Empty Re: izahay nahantra tamy mbola kely

Message  bloka Mer 12 Déc 2012, 20:37

tohizako kely le anay.
zahay zany tena bokany trosa mitsy, ny olana de zao:mbola tsy tonga ny faran´volana dia efa lany trosany vola,avy eo ko papanay narary io de tsy niasa tsonyfa lasa nandray pension isa-3volana,vô mai-nitombo ny trosa sy ny olana satri tapitra nitrosanay zavatra daol refa pivarotra teny akaikinay, nisy ny sasany manome ny sasan leo satri ny teo aloha aza mbola tsy voaloha,avy mianatra zany za tsy sahy mandalo eo am lalana misy pivarotra fa mivil lalana fa menatra sao mitak ny volany le ol.

zany krismasy zanymo dia fara-fijaliana nenay satri ny akizy mahazo zavtra vao2 dôl,zay na vola hividianana hena kel aza efa ifapitadiavana,le pension raisin papa tam zany tonga alo be de tsy mahatratra krismas tson sady lan nandoavana zay trosa tena maika

bloka
Invité


Revenir en haut Aller en bas

izahay nahantra tamy mbola kely Empty Re: izahay nahantra tamy mbola kely

Message  nenay Mer 12 Déc 2012, 20:38

Zahay koa de azo lazaina fa nahantra ihany.
Na ny fiantsoana ny karaman dadanay aza moa de hoe "fivelomana", zany hoe juste natao hahavelona anay fotsiny fa tsy nisy anzany hoe mba tena nanaovana economie zany.
Teny @ EPP no nianatra ary tany @ tany tsy nisy jiro no nipetraka naharitra, ny tsy de olana t@ le izy ndray de le olona manodidina anao nitovitovy taminao daholo de tsy nivaky loha zahay, mandeh mianatra tonga de ny 1 kilasy tsy misy manao kapa na kiraro. Siramamay gasy ariary 2 no mba gouter.
Efa tany @ taona 90 vao mba nanana anzany radio kasety zahay fa taloha de radio tsy nisy FM no mba henoina sady tsy maintsy alefa pile.
Ny tele zany moa de efa taty @ taona 1995 vao nananay fa de manenjika lavatranon olona raha mba te hijery. Tadidiko manara body an dadanay manenjika mondial fa izy mirevy bol be....

Zany miakatra an Tannnnnarivo zany de ohatran ny hoe tonga any an dafy nefa de zanaky ny ville ihany fa nipetraka tany @ sisiny fotsiny.

Ny mba tombony: tsy niafy ara tsakafo zahay, namboly be mihitsy ary niompy be koa

nenay
Invité


Revenir en haut Aller en bas

izahay nahantra tamy mbola kely Empty Re: izahay nahantra tamy mbola kely

Message  licéee Mer 12 Déc 2012, 20:39

zay koa taloha , nianatra t@ ecole catholique daholo izahay mpiray tampo t@ mbola kely fa teo @ 3 e nony afaka seconde d niditra lycée .
mbola tsaroko nisy fotona ts nanaovana kiraro na kapa nande nianatra , nony mba nanana indray na scoubidou sy nisy kapa novidin i mama tao @ aigle d'or d indrindray ifandimbiasanay mianak le izy fa mitivy pointure .
ary rehefa mianatra mande tongotra tsy misy gouter zany kanjo teny andalana tapaka ary scoubidou soa fa niaraka t@ cousine ny andry zareo koa otrizany, tsy nisy paingotra hanamboarana azy farany nesorina d anmpidirina tao anaty kitapo tsihy ireny d lasa nande nianatra , tonga any antrano ny atoandro ; atao @ afo ny paingotra hanampidirna azy .

nony mba niasa tena niteny t@ ireo iray tampo amiko za oe ngamba oa mba tsy hijaly ntsony à zao raha oharina t@ taloha

ny namaplahelo ahy fotsiny nony mba efa niasa nytena ny RAR tsy teo intsony , nefa ny tena tiko doe za miasa ry zareo mbola eo miaramiaina amiany
fa izahy mpiray tampo tena nitovitovy otrizany daholo

naka sary taloha d zahay rehetra tsy misy mikiraro fa pied nu mbola votahiry ny sary hatramin izao d hozy ny zanaka oe ary toa tsy mba nanana kiraro ianareo taloha ?

licéee
Invité


Revenir en haut Aller en bas

izahay nahantra tamy mbola kely Empty Re: izahay nahantra tamy mbola kely

Message  BOOTSY Mer 12 Déc 2012, 20:41

Nanana boots maintsomaintso zay za nanomboka afaka cepe , dia ny tena moa ao anatin'ny fitomboana , niaka 6 eme, 5 eme , 4eme lé izy dia efa tsy antonona tsony !! inn ozy nareo , notapahina ilay manarona ny rantsatongotra iny , dia revena manja eny foana na dia efa mihoatra be sady mitehaka @ tany aza ilay ratsatongotra , tsy afaka hividy kiraro isantaona mantsy ny RAR ,!! fa ny nahagaga d tsy menatra mintsy za t@zany a !! tiako be aza ilay izy !! , gouter zany aloha tsy nisy e, matetika aza box no kaly !! fa tsy nisy naharatsy azy ka !!
Fianarana tokoa>>>>>Ilay izy amiko tsy mila hoe ampandalovina toy izany koa ny ankizy satria tiana ahay hiafy , fa tantaraina amindry zareo fotsiny dia efa tsara , satria ny RARninay koa nitantara taminay fa nijaly taloha , toy ny hoe avy mianatra hono ry zareo vao maka kitay andrahoana sakafo , mitoto vary , mampiditra omby , manao ny asa any an-tsaha...ary lazaiko anao fa tsy misy ny manana ny ampy , ary aleo aza ara-matériel toy izay sentimental na education sns satria hitsaran'ny ankizy antsika foana ny fomba nitezantsika azy any aoriana any fa tadidio !!!

BOOTSY
Invité


Revenir en haut Aller en bas

izahay nahantra tamy mbola kely Empty Re: izahay nahantra tamy mbola kely

Message  blooka Mer 12 Déc 2012, 20:43

...zahay ko dia tratran´io tsy manana kapa io, marary maf mitsy ny tongotra refa ririnina sady vakivaky(zahay lebe tany ambanivohitr´atsirabe)

" ny anay koa"za ko malaelo mitsy raha mbola velona teny mantsy i papa mba afaka napifaly azy @zao(fa papanay mo maty tapoka t@ zahay mbola tanatin´fahantrana mitsy) i Mama ndray efa salama tsara @ zao satri nony lehibe zahay dia afak nikarakara azy.

Misy piray tampo aminay mbolaazo lazaina sahirankirana @ ao,fa kosa za tena raha vô fety tsy adinoko zareo, ny fidiran´pianatra tena miezaka mitsy za mividy fitaovana complet ho azy reo fa mafy tamiko lôtra ny nahazo anay zay.

za efa nanomboka 16ans vô nanao kapa scoubidou zany,t@ zay tsinona zahay nanomboka nianatra teny @ antsirabe ville,tsy anaovana fôna nefa iny kapa iny fa hajaina tsara atao apy mandritra ny tao-pianarana.

Ndray andro za mba nisy bandy nahataratara anah zay, fa avy za dia nalainy silaka mitsy oe, manin ndry no manao pied nu fôna, za tsy ti olona tsy manao kapa zany...indrisy matsy fa tena maivana ôtrany bozaka ny tena nandre zany teni zany.

blooka
Invité


Revenir en haut Aller en bas

izahay nahantra tamy mbola kely Empty Re: izahay nahantra tamy mbola kely

Message  nisy Mer 12 Déc 2012, 20:44

Nisy fiantrainkany tamin'ny fisainana ilay tsy fahampiana tao an-trano fahiny ireny. Ny ahy izao dia tena lasa distant be mihitsy aho na taloha na amin'izao fotoana izao amin'ireny olona manan-katao ireny. Tsy mankahala na mialona fa mandeha ho azy ilay izy e !!! fa ny lafin-tsarany kosa rehefa mahita na miara-miaina amin'ireny olona sahirana ireny dia tsy mahatsindry fa manampy sy manolotra izay kely ananana, ary tena mahatsapa hoe itony no tokony ho namako. Na izany aza azoko lazaina hoe miantraika amin'ny saina ihany izy ireny aty aoriana e !!!

nisy
Invité


Revenir en haut Aller en bas

izahay nahantra tamy mbola kely Empty Re: izahay nahantra tamy mbola kely

Message  ity koa Mer 12 Déc 2012, 20:45

izahay koa mpianatry ny fanjakana dia mandeha kyranyl foana nanomboka t1 ka hatramin'ny seconde, première vao nahazo kiraro bata. Dia ny kitapo ilay kitapo hoditra nifandimbiasana tamin'ny zoky ireny. Ny kahier le recycle be ohatran'ny emballage ireny. Nony teny amin'ny lycée dia mandeha tongotra 4 fois par jour ampefiloha - andravoahangy.

Kivy mihitsy tamin'ny laoka satria au moins 4 fois par semaine anana foana, ilay ramirebaka ireny tena lasa tsy tiako. Dia mba nanana telé noir et blanc ihany fa efa ho simba ilay izy dia mandeha 5 min dia mivadika tsipitsipika be dia miafy amin'ilay radio tsy misy cassette.

Tena henjana ilay fiainanana, mipoatsatroka ny génération malgachisation aho.

ity koa
Invité


Revenir en haut Aller en bas

izahay nahantra tamy mbola kely Empty Re: izahay nahantra tamy mbola kely

Message  zaitra Mer 12 Déc 2012, 20:47

Ny anay ndray koa : tany @ EPP, CEG, Lycée no nianantra.

Tsy nanao kapa t@ EPP sy CEG,

Niakatra Lycée vao nividianana Kiranil, misy misadikadika reny.

Ra-bofy mpanjaitra, De Jupond-Rabofy no noravaina natao ankanjo entina minanatra fa tsy nahavoavidy lamba.

Tsy tafody atondro, de mitondra vary anaty Guigoz, ny laoka anana mandritra ny herinandro.

Nisy zokinay tsy tafody atoandro koa de Mangahazo 500 Fmg no kaly fa ny zoky hono no tokony hiafy kokoa.

Nisy zokinay hafa efa mba universitaire t@ zany de namidy ny peratra volamenan-dRabofy handoavana inscription-ny.

zaitra
Invité


Revenir en haut Aller en bas

izahay nahantra tamy mbola kely Empty Re: izahay nahantra tamy mbola kely

Message  blooka Mer 12 Déc 2012, 20:47

Nisy fiatraikany be teo @ fianarana ilay fahantrana, ny zoky efa lehibebe nijanona tsy satry nitady vola mo zahay zandry kely mbola nianatra tsy mifatoka tanteraka @ fianarana fa hanoanana mamely ny adi-tsaina mikiky ny vavan´olona mila tsy ho zaka tsony.
Teo @ fianakavina sasany aza moa dia tsy mba manasa anay tsony raha mba misy fety na zavatra hatao satri zahay tsy mahavita adidy t@ zany...@ zao nefa mahita zay miditra ny tranonay sady oe, pihavana isika sns...ozy za matsy ny piray tapo amiko tsy mba menatra reny olona reny taloha iomehezany isika nefa zao havana a havana...

t@papanay mbola velona dia tapitra namidy ny lobaka sy ny palitao-ny zay mba hany nananany tao.Mamanay nanana machine fanjairana farany zay tsy foiny namidy, nisy fitaratra lava be zay ko namidy .
Ny manodidina moa dia efa niomehy anay daolo sady maneso oe refa ny olona no mivarotra ny akanjo eny akodiny dia efa farany zay mivarilavo tokoa.Isaky ny avy misakafo zahay dia misento ndray i papanay, vita ndray zay ny androany inona ko no hatokona rapitso???

blooka
Invité


Revenir en haut Aller en bas

izahay nahantra tamy mbola kely Empty Re: izahay nahantra tamy mbola kely

Message  froom Mer 12 Déc 2012, 20:49

t@ 2nde, 1ère, terminale :

mba nianatra t@ écolen'olona mba antonontony sy mahitahita ihany ny tena, saingy anisan'ny farahidiny tany am-penarana : tsy mba misolo ny kiraro (le tenis lamba vita sinoa ireny) raha tsy telo taona, de efa gôka be mihitsy ny semelle sy ny tampony de asiako baoritra fotsiny ao anatiny mba tsy handeha directe @ tany ny tongotra.

de itsoahan'ny ankizy fa maimbo frôm....

froom
Invité


Revenir en haut Aller en bas

izahay nahantra tamy mbola kely Empty Re: izahay nahantra tamy mbola kely

Message  komikaa Mer 12 Déc 2012, 20:50

Ka rehefa tratran ny tsy fahampiana de lasa misaina ho mahantra ho azy e!

Tadidiko Xmas ny andro nefa ny akanjo nentina nivavaka mbola fripy ihany, tsy nanana kiraro mihaja zany fa de tenis ihany no entina manketsy sy mankeroa, mijery ny sarinay t@ zany ah de lasa saina hoe raha ny ankizy @ zao fotoana no asaina manao anzao ngamba de ady tsy vita ny ao antrano.
Zany mividy akanjo zany de tena tsy mba nananay choix akory, tadidiko efa année universitaire ah mbola tsy maitsy ze vidian dada ihany no ekena, izy hono mahita mora de izy ihany no mividy ny akanjonay. Efa nanao stage ah vao hoe afaka nividy zay mba fitafiana tiako.

Niverina nipetraka tao @ Ville zahay, mipetraka any Androndra nefa manenjika any Ambohijavo Avaratra mianatra, 2 lahy zahay t@ zany de frais taxi be 1 ihany no omen i Dada, ka na io ny allée ihany no mandeh vam sady mifampiampofo na rehefa mody, ny atoandro tsy mody fa lavitra loatra.

Enao @ zany rabirabian ny ankizy hoe tambanivohitra sns rehefa any ampianarana

komikaa
Invité


Revenir en haut Aller en bas

izahay nahantra tamy mbola kely Empty Re: izahay nahantra tamy mbola kely

Message  Xmsi Mer 12 Déc 2012, 20:51

miresaka Xmasy nareo reto:
ny anay tsy manana vao2 na akanjo na kiraro, ny dadanay tsy mandraraha anzany fa de ozy oe ze ao anaovana e! refa Xmasy ny andro de ny anao le fety any ampiangonana no tena mahafinatra anay fa rà ao antrano no antenaina de eo no raisina, tsisy na de sapin miboridana aza! itanareo le manao pièce (tantaran'i jesosy teraka) reny ny ao ampengonana, fa zaay 4mianadahy tena mpandray anjara tsy tapaka ary mazoto indrindra! nahita fifaliana ery t@zany ... 24alina, manao an'io pièce io de 25alina manao tsianjery fa nenay saika manana tsianjery efa ho 4zaay t@zany, mazoto ery sady mahatsiaro sambatra, za mo zany no kely indrindra nefa de mahatadidy tsianjery efa ho 4! zany ny tena fifaliako! ny zokiko efa mba lehibebe reo no mahatsiaro menatra @akanjo sy ny kiraro tsy vao2!

Xmsi
Invité


Revenir en haut Aller en bas

izahay nahantra tamy mbola kely Empty Re: izahay nahantra tamy mbola kely

Message  Contenu sponsorisé


Contenu sponsorisé


Revenir en haut Aller en bas

Revenir en haut

- Sujets similaires

 
Permission de ce forum:
Vous ne pouvez pas répondre aux sujets dans ce forum