Forum Tatasika Malagasy
Vous souhaitez réagir à ce message ? Créez un compte en quelques clics ou connectez-vous pour continuer.
Le Deal du moment :
Réassort du coffret Pokémon 151 ...
Voir le deal

rafozana sy vinanto!!

Aller en bas

rafozana sy vinanto!! Empty rafozana sy vinanto!!

Message  kiala Mer 12 Déc 2012, 20:16

Miarahaba antsika rehetra,
Manana olana aho dia tiako ho entina eto amintsika rehetra.
Miaraka @ sipako aho ary efa mankany antranony matetika, tonga ao antranony aho dia toy ny tsy vahiny intsony (marihako aloha fa mbola tsy vita fomba izahay).
Misy fotoana @zay ary nihindrana vola taty amiko ny mamany (500.000fmg) dia 250.000fmg ihany no nomeko nindraminy satria nisy nilako vola. Niteny izy hoe aza atao fantatry ny zanany,hono, izany (ilay sipako io) fa masosotra. Dia tsy niteny aho.
Izao indray izy niteny hoe "hampindramo vola indray za", namaly aho fa tsy manana aho ary niteny izy hoe angaha @ ampiasanareo tsy misy avance, niteny aho hoe misy ao dia tsy niteny intsony izy. Marihako aloha fa vhv aho.
Izaho aloha marihako fa manana ny omena azy fa ny tsy mazava amiko izay ilaiko fanampiana amintsika dia izao hoe ahoana moa no fomba hanafenako @ny zanany izany resaka vola izany raha rahatrizay satria raha ho zatra maka aty amiko izy ka ho afenina ny zanany foana dia mety hampisy olana @ko sy ny sipako izany. Ny vola, hono, mantsy tsy maha-piavana, hoy ny ntaolo.
Inona no fomba hamaliako azy satria aho tsy te hanana olana.
Misaotra antsika rehetra sahady @ valin-teny.

kiala
Invité


Revenir en haut Aller en bas

rafozana sy vinanto!! Empty vinanto

Message  Nirina Mar 08 Jan 2013, 10:06

Raha ny mety aloha dia aleo mitandrina ihany satria tsy mety raha toa ka hisy matetika ny toy izany, ny tsara koa dia ny mampilaza ilay olon-tinao ny marina ary mametra azy mba tsy hisy romoromo,izy ihany koa no mety afaka mety anome hevitra tsara ho anao. Koa dia mahereza ny fahaizana mifanaja sy fitondrana tena no tena zavan-dehibe ilaina ko ny fadefera eo @tsika vinanto indrindra zao mbola tsy tena ao anaty vianakaviana izay,ilaina fantarina avokoa ny zavatra mety hiseho rehetra any aoriana any koa samia mahery

Nirina
Invité


Revenir en haut Aller en bas

rafozana sy vinanto!! Empty vola

Message  vani Lun 21 Oct 2013, 20:20

Bonjour daholo,
Voalohany indrindra hafahafa ilay hoe aza tenenina amin'ny zanako. Inona no antony? mila fantarina sinon teneno dia ho hitanao izay avalin'ny zanany. Tsy hitako izay problème raha sahirana ny reniko ka mihindrana amin'ny vadiko raha tsy hoe angaha miloka na misotro toaka be dia lasa hoatran'ny hoe mamosavy azy ianao mampindrana azy.
Faharoa, efa naveriny ve anefa ilay nindraminy teo aloha? si oui, afaka manome ianao saingy mety ilay tsy manome izay tadiaviny fa ataovy latsaka satria ianao koa tsy voatery hoe misy vola foana (qu'elle comprenne). Si non, dia ialao moramora aza manome sao lasa vola ariana ka sao dia any aoriana mitaky ianao dia lasa vava be adim-pianakaviana eo.

vani
Invité


Revenir en haut Aller en bas

rafozana sy vinanto!! Empty Re: rafozana sy vinanto!!

Message  Contenu sponsorisé


Contenu sponsorisé


Revenir en haut Aller en bas

Revenir en haut

- Sujets similaires

 
Permission de ce forum:
Vous ne pouvez pas répondre aux sujets dans ce forum